Andro nahaterahan' i Jesoa

Ny andro nahaterahan' i Jesoa na andro nahaterahan' i Jesosy dia ny daty heverina fa nahaterahan' i Jesoa avy any Nazareta, izay ankalazain' ny Kristiana amin' ny Andro Noely na Krismasy, amin' ny 25 Desambra. Ho an' ny Fiangonana Rosiana sy ireo Fiangonana Tatsinanana fahiny izay mbola mampiasa ny kalandrie joliana, ny 25 Desambra joliana dia mifanitsy amin' ny 7 Janoary amin' ny kalandrie gregôriana. Amin' ny ankapobeny dia manamarika ny fiandohan' ny vanim-potoana kristiana izany. Na ny andro na ny taona marina dia tsy fantatra, ary ny datin' ny 25 Desambra talohan' ny taona 1 dia napetraky ny moanina Diônisio Kely (Dionysius Exiguus) tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-6. Ny hany loharanom-pahalalana dia ny tantaran' ny fahazazan' i Jesoa, izay hita ao amin' ny fiandohan' ny Filazantsara araka an' i Matio sy ny araka an' i Lioka, ary ny maha ara-tantara an' izany dia mampisalasala. Noho ny zavatra maro tsy azo antoka, ny mpahay tantara dia mametraka amin' ny ankapobeny ny nahaterahan' i Jesoa ho amin' ireo taona farany nanjakan' i Herôda I Lehibe izay maty tamin' ny taona 4 talohan' i J.K..


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search